Fitiavan-tanindrazana

Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanoloran-tena sy ny tsy fivadihan' ny olona amin' ny firenena izay heveriny ho tanindrazana, na amin' ny mpitondra ilay firenena. Fahatsapana fitiavana sy fahafoizan-tena ary fahatsapana firaiketam-po amin' ny firenena iray na amin' ny fanjakana iray ny fitiavan-tanindrazana. Mety ho fitambarana fihetseham-po samihafa amin' ny zavatra isan-karazany toy ny fitenin' ny tanindrazany sy ny lafiny ara-poko, ara-kolontsaina, ara-pôlitika, na ara-tantarany, izany firaiketam-po izay. Mety hahafaoka andian-kevitra mifandray akaiky amin' ny fanindrahindram-pirenena na nasiônalisma, indrindra ny nasiônalisma sivika (tsy mankahala vahiny) sy indraindray ny nasiônalisma ara-kolontsaina (kolontsaina iraisana), ny fitiavan-tanindrazana.

Sary fanoharana momba ny fitiavan-tanindrazana ao amin' ny Monumento a los Caídos por España ("Tsangambato ho an' ireo izay Lavo ho an' i Espaina") ao Madrid (1840), nataon' ny mpanao sary sokitra Francisco Pérez del Valle

Amin' izao vanim-potoana ankehitriny izao dia sarotra ny manavaka ny hoe fitiavan-tanindrazana amin' ny fanindrahindram-pirenena na nasiônalisma, indrindra fa ny nasiônalisma ara-kolontsaina, saingy matetika no lazain' ireo ao amin' ny firehana demôkraty ho solon' ilay faharoa ao amin' ny fanjakana-firenena ny fitiavan-tanindrazana. Ny firehana demôkraty tokoa maqntsy dia miaro ny nasiônalismam-panjakana (frantsay: nationalisme d'État) ka mandà ny filazana hoe "nasiônalista", satria amin' izy ireo dia tsy miandany sy tsara kokoa noho ny fanindrahindram-pirenena ny fitiavan-tanindrazana.

Mihevitra ny mpanindrahindra firenena fa tokony hanana firenena iray ny foko tsirairay, ka natao hanompo ny olona ny firenena. Izany hoe, ao amin' ny fanindrahindram-pirenena dia fitaovana fotsiny ihany mba hananan' ilay foko fahafahana ny firenena, fa ao amin' ny fitiavan-tanindrazana kosa dia ny firenena mihitsy no sarobidy indrindra.

Jereo koa

hanova