Ny fiteny vôta dia fiteny ao amin' ny sampana fenikan' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana. Mifandray akaiky amin' ny fiteny estôniana sy ny fiteny finoà izy. Ny vahoaka Vôta no mampiasa azy. Fiteny am-bava tsy mbola voasoratra hatrizay ny fiteny vôta.

Fiteny tandindomin-doza ny fiteny vôta, indrindra noho ny fanjavonan' ny vahoaka Vôta. Tamin' ny taona 1989 dia 30 ihany sisa no niteny an' io fiteny io. Tanàna telo any atsinanan' ny vinanin' ny ony Luga, any andrefan' i Saint-Pétersbourg, any Rosia, no misy ireo mpiteny ireo.

Amin' izao fotoana izao, ity fiteny ity dia tsy misy fiarovana manokana, sady tsy misy sekoly mampianatra azy, ary raha ny momba ny fitantanan-draharaha dia tsy maintsy ny fiteny rosiana no ampiasain' ny mpiteny mahay fiteny roa.