Ny fiteny ingriana na fiteny izôra na fiteny izôriana dia fiteny fenika ao amin' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana tenenina ao Rosia. Amin' ny fiteny ingriana izy dia atao hoe inkeroin keeli fa amin' ny fiteny rosiana kosa dia ижорский язык / izhorskiy iazik.

Ny fiteny ingriana dia tenenina ao amin' ny Ôblastan' i Leningrad, ao amin' ny Raiônan' i Kingissepp sy ny Raiônan' i Lomonosov. Tao amin' ny Raiônan' i Gatchina ihany koa dia nisy mpiteny ingriana. Ny vahoaka Ingriana, izay niisa 16 000 tamin' ny taona 1926, dia nihena 800 monja tamin' ny taona 1970. Noho izany dia tandindomin-doza ilay fiteny.

Ny fiteny ingriana dia mizara ho fitenim-paritra roa: ny fitenim-paritr' i Soikkola, izay tenenina ao amin' ny saikinosy Soikino, any amin' ny Raiônan' i Kingissepp, sy ny fitenim-paritr' i Hevaha, nomena anarana avy amin' ny anaran' ny renirano Hevaha (na Kovashi), ao amin' ny Raiônan' i Lomonossov.