Fiteny hiligainôna

Ny fiteny hiligainôna na fiteny ilôngô dia fiteny aostrôneziana ampiasain' ny olona misa 9,3 tapitrisa eo ho eo, indrindra ao amin' ny faritany maro ao amin' ny Faritra Visayas Andrefana sy ao amin' ny Faritra Soccsksargen, izay an' ny Hiligainôna (foko) ny ankamaroany. Io no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra any Visayas. Ao amin' ny vondrom-piteny bisaiana izy io.