Fiteny hebreon'ny Misnà

Ny fiteny hebreon'ny Misnà na fiteny hebreo misnaika na fiteny hebreo misnika dia endriky ny fiteny hebreo iray mifanandrify amin'ny fotoana feran'ny taonjato volohany sy faha-5 taor. J.K. izay mifanandrify koa amin'ny fotoan'ny Talmoda (taonjato faha-2 hatramin’ny faha-5). Atao hoe "hebreo rabinika" na "fitenin'ny Olonkendry" koa ity fiteny ity. Fiteny nampiasaina tamin'ny fiainana andavanandro sy tao amin'ny literatiora jiosy izy io, araka ny hita amin'ireo tahirin-tsoratra hitan'ny arkeologa tao Israely.

I Abraham Geiger no nanomboka nanao fanadihadiana ara-kaifiteny tamin'izy ireo tamin'ny taona 1845. Ny hebreo misnika dia ahitana zava-baovao raha mitaha amin'ny hebreon'ny Baiboly izay taloha lavitra noho izy. Momba ny fandrafetana fehezanteny sy ny voambolana izany ka hita ireo teny nindramina tamin'ny fiteny nanjaka ara-politika na ara-kolontsaina tamin'izany fotoana izany, dia ny fiteny arameana sy grika ary persana.

Jereo koaHanova