Fiteny gaelika ekôsey
Ny fiteny gaelika ekosey dia fiteny ao amin' ny sampana gaelikan' ireo fiteny seltika izay mikambana amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Ekôsy ao amin' ireo Tany Ambony sy ao amin' ireo Hebrida no tena itenenana azy. Ampiasain' ny vahoaka sasany ao Ekôsy Vaovao ao Kanada, indrindra ao amin' ny nosin' i Cap-Breton, noho ny fisian' ny fifindra-monin' ny tantsaha ekôsey noroahin' ny mpanan-tany tamin' ny taonjato faha-19; ny endrik' io fiteny io any Kanada no atao hoe fiteny gaelia kanadiana.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a7/Celtic_Scotland_-_a_history_of_ancient_Alban_%281876%29_%2814763632834%29.jpg/220px-Celtic_Scotland_-_a_history_of_ancient_Alban_%281876%29_%2814763632834%29.jpg)