Fiteny fôrmôzana

(tonga teto avy amin'ny Fiteny formôzana)

Ny fiteny fôrmôzana dia fiteny malaiô-pôlineziana maromaro, iray amin'ireo vondrom-piteny roa mandrafitra ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Ireo mponina tranainy ao Taioàna, izay 2%n'ny mponina ao amin'io nosy io no miteny azy. Ankehitriny dia heverina fa avy any Taioàna ny fiteny aostrôneziana, noho ny fahasamihafana ara-piteny sy ny fahantaolon'ireo fiteny aostrôneziana tenenina ao Taioàna. Ny mponina hafa (ny Hàna) dia miteny fiteny sinoa (fiteny sinô-tibetàna, ka ny ankabetsahany dia amin'ny fiteny mandarina) sy ny fiteny taioaney (tenim-paritry ny fiteny min-nana, fiteny sinoa tamin'ny Andro Antenantenany).