Ny fiteny avestika, izay antsoina hoe fiteny zenda koa, dia fiteny persiana taloha, fantara amin' ny alalan' ny endrika litorjika ao amin' ny boky masin' ny fivavahana zôrôastriana, dia ny Avesta izany.

Havan-davitry ny fiteny persiana taloha izy. Io fiteny io dia anisan' ireo fiteny iraniana atsinanana trananiny indrindra fanta-pisiana, ka mahatonga azy hanan-danja amin' ny famerenana indray ny endriky ny fiteny prôtô-iraniana sy ny fiteny prôtô-indô-iraniana.

I Franz Bopp, ao amin' ny Grammaire comparée des langues indo-européennes nosoratany, izay asa soratra fotora amin' ny famerenana indfray ny mety ho endrik' ireo fiteny ireo, dia manao tsiahy matetika ankilan' ny fiteny sanskrita, ny fiteny armeniana, ny fiteny grika, ny fiteny latina, ny fiteny litoaniana, ny fiteny slava taloha, ny fiteny gôtika ary ny fiteny alemàna.