Fitenim-paritra taty

Ny fitenim-paritra taty dia fiteny iraniana vitsivitsy tenenina ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna. Ao amin' ny vondrom-piteny iraniana avaratra-andrefana izy ireo.

Ireo fitenim-paritra ireo dia miparitaka ao amin' ireo faritra misy ny fiteny azery any Iràna. Tsy fifindfrà-monina no niteraka azy ireo fa endriky ny fiteny iraniana iray notenenina tao amin' ireo faritra ireo, dia ny fiteny azery taloha.

Ireo fiteny ireo dia tsy afangaro amin' ny fiteny taty izay tenenin' ny vahoaka taty any Kaokazy. Ny teny hoe tat dia anarana nomen' ireo Azery ny mponina miteny iraniana izay nifandray amin' izy ireo.

Misampana ho dimy ny vondron' ireo fitenim-paritra taty ireo:

  • ny fitenim-paritra taty ao amin' ny faritra atsimo, tenenina ao amin' ny tapany atsimo-andfrefan' i Qazvin sy ao Eshtehard. Ny anaran' izy ireo dia avy amin' ny anaran' ny tanàna onenan' ireo mpiteny azy. ireto avy izy ireo: ny fiteny saly, ny fiteny takestany, ny fiteny eshtehardy, ny fiteny kiajary, ny fiteny ebrahim-abady, ny fiteny sagz-abady, ny fiteny danesfany, ny fiteny esfarvariny, ny fiteny kôzniny;
  • ny fitenim-paritra any Kho’in sy ao amin' ireo vohitra manodidina;
  • ireo fiteny any Khalkhâl sy Târom;
  • ireo fiteny any Harzand sy Dizmâr;
  • Ireo fitenim-paritra tenenina any atsinanana sy any avaratra-atsinanan' i Qazvin, Kuhpayeh, Rudbâr, ary Alamut.