Ny fisaonana dia fihetseham-po sy fahatsapana alahelo ary fomba amam-panao fanao mifandraika amin' izany vokatry ny trangan-javatra lehibe iray miteraka alahelo, indrindra fa ny fahafatesan' ny olona akaiky ny tena, toy ny olona tiana. Matetika mifandray amin' ny fahoriana ny fisaonana, ka heverina koa ho dingana ilaina amin' ny fiononana.

Fisaona voalohany, sary nataon' i William Bouguereau, taona 1888 (ao amin' ny Museo Nacional de Bellas Artes, any Arzantina).

Ny teny hoe "fisaonana" dia ampiasaina mba hanondroana ny fitambarana fanao sy hetsika izay andraisan' ireo nidonam-pahoriana anjara. Miovaova arakaraka ny kolontsaina ny fanehoana izany.

Alahelo tsy hay ampiononina, sary nataon' i Ivan Kramskoy, taona 1884.

Fomba fanao any amin' ny firenena maro ny fanaovana akanjo mainty, nefa misy koa ny endri-pitafy hafa.

Matetika ireo izay namoy olon-tiana dia manokana fe-potoana fisaonana, izay marihina amin' ny tsy fandraisana anjara amin' ny hetsika ara-piarahamonina sasany sy amin' ny fitondran-tena milamina sy feno fanajana. Amin' ny kolontsaina sasany dia iarahana amin' olon-kafa koa ny fisaonana. Mety hanaraka fanao ara-pivavahana manokana ny olona amin' ny fotoana toy izany.

Matetika ny fisaonana koa dia mety atao aorian' ny fotoana ahafatesana na amin' ny fitsingerenan' ny andro nahafatesan' ny olona iray manan-danja toy ny mpitondra, ny mpanjaka, ny olo-malaza tao amin' ny fivavahana, na ny olona ao amin' ny fianakaviana. Mety hitranga ny fisaonam-panjakana na fisaonam-pirenena amin' ny fotoana toy izany. Tao anatin' ny taona vitsivitsy izay, ny fanao sasany dia nivadika ho fomba tsy dia hentitra loatra, na dia maro aza ny fomba amam-panao sy fomban-drazana mbola arahina.