Fiovan' ny toetany
Ny fiovan'ny toetany dia fiovana maharitra miseho amin'ny lamin-drafitry ny toetany amin'ny faritra iray na maneran-tany ary mitranga mandritra ny fotoana lava, manomboka amin'ny taona vitsivitsy ary mety mahatratra taona an'arivony na an-tapitrisany. Tsy mitovy hevitra amin'ny "fiovaovan'ny toetrandro" izy io satria ny fiovan'ny toetrandro dia tsy maharitra, mety ho iray andro na andro vitsivitsy monja.


Ireo fiovàna ireo dia mety ho voajanahary, vokatry ny toetran'ny Tany (fiovana anatiny), vokatry ny zavatra avy ety ivelany na vokatry ny asan'ny olombelona (fiovan'ny toetany ankehitriny vokatry ny fandefasana etona mampihiboka hafanana indrindra amin'ny fampiasana fandrehitra avy any anaty tany).
Niova ny toetany nandritra ny tantaran'ny Tany, miaraka amin'ny fiovan'ny toetany eo anelanelan'ny vanim-potoana jeôlôjika samihafa.
Faritra maro ao Madagasikara ihany koa no lasibatr'ireo vokadratsy entin'ny fiovan'ny toetany.[1]