Filemôna avy any Kôlôsia

(tonga teto avy amin'ny Filemona avy any Kolosia)

I Filemôna dia lehilahy mpanankarena tao Kôlôsia, mpikambana tao amin' ny fiangonana tao an-toerana naorin' i Paoly, resahina ao amin' ny Epistily ho an' i Filemôna nosoratan' i Paoly ho azy indrindra raha tao am-pigadrana tany Rôma i Paoly. Niangavy an' i Filemôna i Paoly mba handray an' i Ônesimo andevony, izay nangalatra ny fananan' i Filemôna, rehefa avy niova ho kristiana ka ndeha hifona amin' ny tompony. Atao hoe Φιλήμων / Philêmôn i Filemôna amin' ny teny grika.

Araka ny lovantsofina dia maty notoraham-bato, niaraka tamin' ny vadiny atao hoe Apia, i Filemôna. Ny fitantarana hafa indray dia milaza fa nanjary evekan' i Kôlôsia i Filemôna ka maty martira taty aoriana.