Ny filôzôfia jiosy dia ny fihaonan' ny filôzôfia grika sy ny teôlôjia jiosy. Ny filôzôfa jiosy fantatra indrindra dia i Solomon ibn Gabirol, i Saadia Gaon, i Judah Halevi, i Maimonides ary i Gersonides. Nisy fiovana lehibe ny filôzôfia jiosy tamin' ny vanimpotoan' ny Fahazavana (taonjato faha-18 sy faha-19).

Misy roa karazana ny firehan' ny filôzôfia jiosy, dia ny filôzôfia ôrtôdôksa sy ny filôzôfia tsy ôrtôdôksa. Isan' ny filôzôfa jiosy ôrtôdôksa i Eliyahu Eliezer Dessler, i Joseph B. Soloveitchik ary i Yitzchok Hutner. Isan' ireo filôzôfa tsy ôrtôdôksa malaza i Martin Buber, i Franz Rosenzweig, i Mordecai Kaplan, i Abraham Joshua Heschel, i Will Herberg ary i Emmanuel Lévinas.

Jereo koa hanova