Fihetsiketsehana karismatika vaovao

Ny fihetsiketsehana karismatika vaovao dia firehan' ny kristianisma ara-pilazantsara izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny fanombohan' ireo taona 1980 izany fihetsiketsehana izany. Maro ireo fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io fihetsiketsehana io. Ny batisan' ny Fanahy Masina nolazain' i Jesosy mialoha sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io firehana io. Ny foto-kevitry ny fihetsiketsehana karismatika evanjelika dia noraisin' ireo Karismatika vaovao nefa naitany sady notovonany endrika teôlôjika fanampiny toy ny ady ara-panahy, ny tenin' ny finoana ary ny fanavaozana ara-drafitra. Araka ny tarehimariky ny Pew Research Center tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 000 000 io fihetsiketsehana io.

Jereo koaHanova