Hanokatra ny renilisitra

Fihetsiketsehan'ny Fanamasinana

(tonga teto avy amin'ny Fihetsiketsehan'ny fanamasinana)

Ny Fihetsiketsehan'ny Fanamasinana na Fikambanan'ny Fanamasinana dia firehan'ny kristianisma evanjelika avy amin'ny protestantisma metodista. Miavaka io fihetsiketsehana io noho ny fanomezany lanja ny foto-papianarana ny amin'ny "fgahatongalafatra kristiana" izay nivoatra avy amin'ny fampianaran'i John Wesley, dia ny amin'ny finoana fa azo atao ny miaina malalaka nefa tsy mahatanteraka fahotana an-tsitrapo, indrindra ny finioana fa izany dia azo tanterahirahina eo no ho eo amin'ny alalan'ny fahasoavana. Tamin'ny taona 1894 no nisarahan'io fihetsiketsehana io tamin'ny metodisma. Ankehitriny dia miisa 12 000 000 ny mpino ao amin'io fihetsiketsehana io maneran-tany. Niteraka ny fandrosoan'ny pentekotista sy ny fanavaozana karismatika io fihetsiketsehana io teo amin'ny tantara.