Fiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i Aleksandria

Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i Aleksandria dia fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, tsy kalkedôniana sady mahaleo tena. Isan' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy. Ny filohany dia atao hoe "Papan' i Aleksandria sy Patriarkan' ny Toritenin' ny Masindahy Marka sy an' i Afrika manontolo", ka ao Kairo renivohitr' i Egipta no fonenany. Hatramin' ny taona 2012 dia i Tawadros II no papan' io fiangonana io.

Katedraly ortodoksa kopta Abbasyia ao Kairo

Ity fiangonana ity dia mitory ny miafizisma izay tsy tokony hampitovizina amin' ny mônôfizisma: tsy manaraka ny fanapahan-kevitry ny Kônsily tao Kalkedôna izy noho ny antony momba ny tenim-pinoana (dôgma) sy momba ny kanônan' ny Soratra Masina (lisitry ny boky ao amin' ny Baiboly) ary ara-pôlitika.

Hatramin' izay ka hatramin' ny taona 1959 dia isan' io fiangonana io ny Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa izay nahazo ny patriarkany manokana tamin' io taona io.

Ny anarany hanova

Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i Aleksandria dia fantatra koa amin' ny anarana hoe:

  • Fiangonana Kôptan' i Aleksandria;
  • Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta;
  • Fiangonana Ôrtôdôksan' i Egipta;
  • Fiangonana Ôrtôdôksa Egiptiana.

Tantarany hanova

Araka ny fomba fijery ôfisialin' ny Fiangonan' i Aleksandria dia efa hatramin' ny andron' ny Apôstôly no nisian' io fiangonana io. Nizara ho sampana roa izy taorian' ny Kônsily tao Kalkedôna, ka ny ankamaroany namorona ny Fiangonana Kôpta Ôrtôdôksa ary ny sisa namorona ny Fiangonana Grika Ôrtôdôksan' i Aleksandria (Fiombonana ôrtôdôksa).

Araka ny lovantsofina samihafa izay tsikerain' ny mpikaroka amin' izao andro vaovao izao dia naorin' i Marka evanjelista io fiangonana io[1].

Tamin' ny 4 Nôvambra 2012 i Tawadros II na Teôdôro II izay nandimby an' i Chenouda III izay maty tamin' ny 17 Marsa 2012 teo amin' ny toerana maha papa azy[2].

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Guillaume Bourin, « 5 raisons pour lesquelles Marc n'a pas fondé l'Église d'Alexandrie » 2014. in Le Bon Combat [tahiry]
  2. RTBF infos [tahiry]