Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito)

Ny Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito) no iantsoana ireo fiangonana kristiana izay mitandrina ny Sabata manomboka amin' ny Zoma hariva hatramin' ny Asabotsy hariva. Niorina tamin' ny taona 1863 ny voalohany amin' izy ireo. Ireo mpanorina azy dia nisaraka tamin' ny Adventistan' i Ellen G. White tamin' ny taona 1858. Ireo Adventista sisa tamin' izay no lasa Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito tamin' ny taona 1863. Atao hoe Church of God (Seventh-Day) izy amin' ny teny anglisy. Isan' ny mampiavaka azy ny tsy finoany ny Trinite.

Nivaky roa ny Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito) tamin' ny taona 1933 ka ny iray nanana ny foibeny tao Salem any West Virginia sady nitondra ny anarana hoe Church of God (Seventh day) - Salem Conference  fa ny faharoa kosa tao Denver any Colorado sady fantatra amin'ny anarana hoe General Conference of the Church of God (Seventh-Day). Ny Worldwide Church of God dia niendaka avy amin’io. Nitambatra indray izy ireo tamin'ireo taona 1940[1].

Ny Conférence Général de l'Église de Dieu (Septième Jour) dia vondrona ahitana mpikambana betsaka indrindra nefa misy koa Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito) hafa sasany tsy miankina, ka raha ny ao Etazonia dia ahitana vondrona roa vitsy mpikambana, ka ny iray dia manana ny foibeny ao Salem any Virjinia Andrefana[2] fa ny faharoa any Meridian any Idaho[3].

Jereo koa: hanova

Loharano hanova

  1. XII. The Merger: 1948-1949 Archived Desambra 26, 2018 at the Wayback Machine (online page) (online history book), Giving & Sharing.
  2. "Church of God (7th Day), Conférence de Salem" [tahiry] (notsidihina 28 Jolay 2018)
  3. "General Council Churches Of God (Seventh Day) Inc." [tahiry] (notsidihina 28 Jolay 2018)