Fiteny tibetô-birmana
Ny fiteny tibetô-birmana dia vondrona ahitana fiteny tena samihafa, ao anatin' ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana, ampiasaina manerana an' i Azia Atsimo-Atsinanana ("Zomia") ary koa any amin' ny ampahan' i Azia-Atsinanana sy Azia Atsimo. Ny mpampiasa an' ireo fiteny ireo dia mitsinjara amin' i Sina (anisan' izany ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet sy i Guangxi, ary koa ny Faritanin' i Gansu, ny Faritanin' i Guizhou, ny Faritanin' i Hubei, ny Faritanin' i Hunan, ny Faritanin' i Qinghai, ny Faritanin' i Sichuan, ny Faritanin' i Yunnan, izay mampiasa fiteny toa ny fteny tojià), amin' i India, amin' i Nepaly, amin' i Botàna, amin' i Birmania ary amin' ny faritra sasany any Pakistàna, any Bangladesy, any Tailandy, any Laôsy ary any Vietnamy. Ireo fiteny misa 330 na maherin' ny 400 ireo dia ampiasain' ny olona 70 tapitrisa eo ho eo tamin' ny taona 2001.