Fetran'i Chandrasekhar

Ny fetran’i Chandrasekhar na koa lanjan’i Chandrasekhar dia lanja farafahabetsaky ny kintana sahozanina fotsy. Mitondra ny anaran’i astrôfizisianina Subrahmanyan Chandasekhar ny ilay fetra satria izy no nanatsara ny fikajiana izany tamin’izy mbola sivy ambin’ny folo taona. Tsy noraharahian’ny fikambanan’ny siantifika izany fetra izany satria mety hametra ny fisian’ny lavaka mainty ilay izy, zavatra izay noheverina fa tsy afaka mitranga tamin’izany fotoana izany. Ny sahozanina fotsy, dia mitohitra amin’ny firodanana ara-tsintona amin’ny alalan’ny tsindry avy amin’ny fanerena tsy hita mason’ny elektrôna fa tsy avy amin’ny tsindrim-pana. Ny sahozanina fotsy manana anja lehibe noho ny fetra dia iharan’ny firodanana ara-tsintona izay mampahalasa azy ireo ho lavaka mainty na kintana netirônina. Mijanona ho sahozanina fotsy ny kintana manana lanja latsak’io fetra io.

Ny sandan’izany fetra izany dia heverina fa 1,39 lanjamasoandro na 2,375 × 1030kg [1]

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Israel, edited by S.W. Hawking, W. (1989). Three hundred years of gravitation (1st pbk. ed., with corrections. ed.). Cambridge [Cambridgeshire]: Cambridge University Press.