Faritra Mizaka Tenan' i Môngôlia Anatiny

Ny Faritra Mizaka Tenan' i Môngôlia Anatiny na Môngôlia Anatiny dia iray amin' ny faritra mizaka tena dimy ao Sina, ankoatra an' i Guangxi, i Ningxia, i Tibet ary i Xinjiang.

Tapany atsimon' i Môngôlia Lehibe, izay faritra ao amin' ny ilany afovoany-atsinanana amin' i Azia, i Môngôlia Anatiny. Faritra an-tany efitra izy io, rakotry ny Tany efitr' i Gobi indrindra. I Môngôlia Anatiny dia miavaka amin' Môngôlia Ivelany, izay andian-teny nampiasain' ny Repoblikan' i Sina sy ny governemanta nifandimby teo aloha mba hilazana ny firenena mahaleo tenan' i Môngôlia ankehitriny sy ny repoblika rosianan' i Tuva (rosiana: Республика Тыва / Respublika Tyva) sy ny an' i Buryatia (rosiana: Республика Бурятия / Respublika Buryatiya).

Amin' ny teny môngôliana dia nantsoina hoe Dotuγadu Mongγol, izay midika hoe "Môngôlia Anatiny", io faritra io, nandritra ny fanapahan' ny tarana-mpanjaka Qing. Tamin' ny 11 Mey 1947 no niorina ny Faritra Mizaka Tenan' i Môngôlia Anatiny, nampidirin' ny governemantan' i Môngôlia Anatiny ny teny hoe Öbör Mongγol izay midika hoe "Môngôlia Atsimo" (teny hoe öbör dia midika hoe "atsimon-tendrombohitra"). Mijanona ho 内蒙古"Môngôlia Anatiny" anefa ny anarana amin' ny teny sinoa. Avy amin' ny teny mantso hoe dorgi sy tulergi ny teny nadika hoe "anatiny" sy "ivelany", satria ny Mantso no nifehy an' i Sina tao Beijing, saingy heverin' ny Môngôly sasany ho fanindrahindrana ny Sinoa izany ka soloiny amin' ny teny hoe aru ("avaratra") sy öbör ("atsimo").

I Môngôlia Anatiny dia manamorona ny faritany sinoa Heilongjiang, Jilin, Liaoning, Hebei, Shanxi, Shaanxi, sy ny faritra mizaka tena Ningxia sy Gansu, ary manana sisintany iraisana amin' i Môngôlia sy amin' i Rosia. Mandrakotra velaran-tany midadasika mirefy 1,18 tapitrisa km2, izay misy mponina 23,76 tapitrisa ilay faritgra. Ny renivohiny dia i Hohhot (呼和浩特 / Hūhéhàotè).