Farihy Tiberiada

(tonga teto avy amin'ny Farihin' i Tiberiada)

Ny Farihy Tiberiada na Farihy Tiberiasy na Ranomasina Galilia na Farihy Genesareta na Farihy Jenezareta na Farihy Kinereta dia farihin-dranomamy ao avaratra-atsinanan' i Israely izay vakivakin' ny ony Jordana. Be trondro io farihy io sady malaza koa amin' ny fisian' ny rivo-mahery eo aminy vokatry ny fahasamihafan' ny hafanany amin' ny an' ireo tany avo manodidina azy. Avy amin' ny ony Jordana no ahazoany ny ankabeazan' ny rano ao aminy izay midina avy any avaratra ka mivoaka any atsimo. Izy no mamatsy rano be an' i Israely ankehitriny. Lakandrano maro no namboarina avy ao aminy mba hamatsiana rano ireo tanan-dehibe sy hanondrahana ny tanim-boly, indrindra fa any amin' ny Taniefitr' i Negeva.

Ranomasin'i Galilia tamin'y taona 1900.
Sary mivelatra maneho ny Farihy Tiberiada nalaina avy eo amin'ny Alan'i Soisa.

Mirefy 23 km ny halavany; 13 km kosa ny sakany; mirefy 48 m ny halaliny. Manana velarana mirefy 166 km2 izy ary maherin' ny 200 m ambanin' ny haambon' ny ranomasina no misy azy.

Voaresaka ao amin' ny Testamenta Vaovao ny Farihy Tiberiada izay toerana nandehanan' i Jesoa sy ny mpianany sady nanaovany fahagagana, dia ilay jono mahagaga.

Jereo koa hanova