Faribolan-tendron-tany

Ny faribolan-tendron-tany dia fehin-tany (faribolana) any amin' ireo faritra manodidina sy mahafaoka ny tendron-tany izay mampisy ny fotoana tsy mampiposaka ny masoandro amin' ny ririnina sy tsy mampilentika ny masoandro amin' ny fahavaratra. Misy roa ny faribolan-tendron-tany, dia ny any amin'ny faritry ny tendron-tany avaratra (Faribolan-tendron-tany Arktika) sy ny any amin' ny faritry ny tendron-tany atsimo (Faribolan-tendron-tany Antarktika). Ny zorom-pehin-tany mifanindry amin' ireo faribolana ireo, na any avaratra na any atsimo, dia mitovy amin' ny zorom-pitongilanan' ny tezam-pihodinan' ny tany amin' ny tenany raha mitaha amin' ny tezan-danitra (na ny zorom-pitongilanan' ny fehiben-tany mitaha amin' ny ekliptika). Ny elanelany ara-joro amin'ny tendron-tany dia 23° 26' 10,3'' (tamin'ny volana Janoary 2020). Noho izany, ny zorom-pehin-taniny dia 66° 33' 49,7". Mamaritra amin' ny ambangovangony ny kôntinenta Antarktika ny faribolan-tendron-tany atsimo.

Sarin-tanin' izao tontolo izao nofisahina maneho ny faribolan-tendron-tany avaratra sy atsimo

Jereo koa hanova