Fanoharana ny amin' ny voan-tsinapy

Ny Fanoharana ny amin' ny voan-tsinapy dia fanoharana nataon' i Jesoa tantaraina ao amin' ireo Filazantsara na Evanjely telo voalohany, dia ny Evanjelin' i Matio (Mat 13.31-32) sy ny Evanjelin' i Marka (Mar 4.30-32), ary ny Evanjelin' i Lioka (Lio 13.18-19), izay anoharana ny Fanjakan' ny Lanitra amin' ny voan-tsinapy novolena ka tonga zavamaniry lehibe. Ny sinapy resahina eto dia sinapy mainty (Brassica nigra) izay mahatratra 1,2 m rehefa lehibe.

Fanoharana ny amin' ny voan-tsinapy, sary nataon' i par Jan Luyken

Izao ilay lahatsoratra, araka an' i Matio:

Voan-tsinapy mainty efa voavaofy
Sinapy mainty
Voan-tsinapy

31Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan' ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain' olona ka nafafiny tany an-tsahany; 32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin' ny rantsany. (Mat 13.31-32, Ny Baiboly).

Jereo koa hanova