Fanjakana Latina Atsinanana

(tonga teto avy amin'ny Fanjakana latinina any Atsinanana)

Ny Fanjakana Latina Atsinanana na Fanjakana Franka Atsinanana dia faritra nofehezin' ny mpitarika kroazada maromaro tao Ampiposahana ary avy eo tao amin' ny Empira Bizantina. Ny Fanjakana "latina" na "franka" dia fanjakana fehezin' ny tompomenakely katôlika tandrefana (na nandray anjara tamin' ny kroazada tany am-boalohany izy ireo na tsia, ary na inona na inona fiaviany: Frantsay, Anglisy, Alemana, Italiana, Katalana), mifanohitra amin' ny "Fanjakana Grika" izay nofehezin' ny tompomenakely ôrtôdôksa (izay mety ho Bizantina, Bolgara, Serba, Valàka na hafa).

Ireo miloko maitso tanora na antitra ireo ny Fanjakana Latina any Atsinanana tamin' ny taonjato faha-12.

Ny Fanjakana Latina any Atsinanana no namorona ny tany fananan' ny Eorôpeana voalohany any ampitan-dranomasina, izay niitatra hatrany amin' ilay kôntinenta hatramin' izay.