Fanjakan' ny Lanitra (ao amin' ny Matio)

Ny Fanjakan' ny Lanitra (izay atao amin' ny teny grika hoe: Βασιλεία τῶν οὐρανῶν / Basileia tôn ouranôn) dia andian-teny ampiasaina ao amin' ny Filazantsaran' i Matio. Hita amin' ny ankapobeny fa mitovy amin' ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" (izay atao aamin' ny teny grika hoe: βασιλεία τοῦ θεοῦ / Basileia toû Theoû) ao amin' ny Filazantsaran' i Marka sy ny Filazantsaran' i Lioka izy io. Heverina ho vontoatin' ny toritenin' i Jesoa ny "Fanjakan' ny Lanitra" ao amin' ny Filazantsaran' i Matio izay manoritsoritra ny fizoran' ny zava-mitranga, izay anombohan' Andriamanitra hitondra na ho mpanjaka na Tompo, noho izany dia hetsika iray amin' izay maneho ny maha Andriamanitra azy eo amin' ny tontolon' ny olombelona.