Isan' ny Bibidia
(tonga teto avy amin'ny Fanisan' ny bibidia)
Ny Isan' ny Biby na Isan' ny Bibidia dia isa resahina ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy nosoratan' i Joany (na Jaona) tao amin' ny nosy Patmô (na Patmôsy), ao amin' ny toko faha-13 andininy faha-18. Izany dia ny isa "enina amby enimpolo sy eninjato" (666) nefa ny sora-tanam-piraketana sasany dia ahitana koa ny hoe 616 na 665.
Ao amin' ny Baiboly
hanova"Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan' ny bibi-dia, fa fanisan' olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany." (Apô 13.18, Ny Baiboly)
na "Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan' ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enim-polo sy enin-jato izany isa izany." (Ny Baiboly Masina)