Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917

Ny Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917 dia taratasy misokatra tamin' ny 2 Nôvambra 1917 nosoniavin' i Arthur Balfour, sekreteram-panjakana britanika misahana ny Raharaham-bahiny (the Foreign Secretary). Izany taratasy izany dia nosoratana ho an' i Lord Lionel Walter Rothschild (1868-1937), olo-malaza ao amin' ny vondrom-piarahamonina jiosy britanika ary mpamatsy vola ny hetsika ziônista.

Tamin' ny alalan' ity taratasy ity, ny Fanjakana Mitambatra dia nanambara fa manohana ny fananganana tetikasam-pirenena ao Palestina (ny "akanim-pirenena ho an' ny vahoaka jiosy", amin' ny teny anglisy: "a national home to the Jewish people"). Ity fanambaràna ity dia heverina ho iray amin' ireo dingana voalohany amin' ny fananganana ny Fanjakan' i Israely.