Fampidinana avy amin' ny hazo fijaliana

Ny fampidinana avy amin' ny hazo fijaliana dia lohahevitra malaza momba an' i Jesoa taorian' ny fanomboana azy. Atao hoe Ἀποκαθήλωσις / Apokathelosis izany amin' ny teny grika.

Fampidinana avy amin' ny hazo fijalilana, sary nataon' i James Tissot

Miresaka momba ny fandevenan' i Jôsefa avy any Arimatea sy Nikôdemôsy an' i Jesoa taorian' ny nahafatesany ny filazantsara efatra (tahaka ny ao amin' ny Joany 19:38-42 sy ireo andinin-teny mifanitsy aminy amin' ny filazantsara telo hafa), tsy milaza na inona na inona momba ny fampidinana ny vatany avy eo amin' ny hazo fijaliana anefa izy ireo, izay fiantsonana fahatelo ambin’ ny folo amin' ny Lalan' ny hazo fijaliana. Ity lohahevitra ity anefa dia nanentana mpanao hosodoko maro.