Ny fampakaram-bady dia lanonana izay iraisan' ny olona roa ao anaty fanambadiana. Ny fomba amam-panao dia samy hafa be arakaraka ny kolontsaina, ny foko, ny fivavahana, ny firenena, ary sarangam-piarahamonina. Ny ankamaroan' ny lanonana fampakaram-bady dia misy fifanakalozana ataon' ny mpivady, fanolorana fanomezana (fanatitra, peratra, zavatra an' ohatra, voninkazo, vola, akanjo), ary fanambaràna ampahibemaso momba ny fanambadiana ataon' ny manam-pahefana na olo-malaza. Matetika ny akanjo fampakaram-bady manokana no anaovana. Ny mozika, ny tononkalo, ny vavaka, na ny vakiteny avy amin’ ny soratra na zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana dia matetika ampidirina ao anatin’ ilay lanonana, ary koa ireo fomba amam-panao misy finoanoam-poana.