Fahefana Palestiniana

(tonga teto avy amin'ny Fahefam-Pirenena Palestiniana)

Ny Fahefana Palestiniana dia ny sampan-draharaham-panjakana mitantana ny Arabo monina ao Jôrdania Andrefana (Cisjordanie amin' ny teny frantsay, West Bank amin' ny teny anglisy) sy ao amin' ny Salavantanin' i Gaza, ao amin' ny faritra A sy B ano Palestina nofaritan' ny fifanarahana tao Oslo II tamin' ny taona 1993–1995. Manana filoha sy antenimiera voafidy amin' ny alalan' ny fifidianana izy, sy pôlisy (fa tsy tafika) ary solontena any amin' ny firenena vahiny maro. Amin' ny fiteny arabo izy dia atao hoe السلطة الفلسطينية / As-Sulṭa Al-Filasṭīniyya. Nanomboka tamin' ny Janoary 2013 dia misolo tena ny Fanjakan' i Palestina ny Fahefana Palestiniana.

Ny Fahefana Palestiniana no nifehy ny Salavantanin' i Gaza talohan' ny fifidianana nataon' ny Palestiniana tamin' ny taona 2006 sy ny fifandonana teo amin' ny antoko Fatah sy ny Hamas taorian' izay, rehefa tsy voafehy ny Hamas; ny Fahefana Palestiniana dia manohy ny fitakiana ny Salavantanin' i Gaza, na dia ny Hamas no mifehy azy tsy araka ny lalàna. Nanomboka tamin' ny Janoary 2013 dia nampiasa ny anarana hoe "Fanjakan' i Palestina" amin' ny antontan-taratasy ôfisialy ny Fahefana Palestiniana, na dia mitohy nty fanekan' ny Firenena Mikambana ny Fikambanana ho an' ny Fanafahana an' i Palestina ho "solontenan' ny vahoaka palestiniana".

Ny Fahefana Palestiniana dia niforona tamin' ny taona 1994, araka ny fifanarahana Gaza-Jerikô teo amin' ny Fikambanana ho an' ny Fanafahana an' i Palestina sy ny governemantan' i Israely, ary natao ho vondrona mpitantana vonjimaika mandritra ny dimy taona. Nisy ny fifampidinihana teo amin’ ny roa tonta avy eo momba ny sata farany. Araka ny Fifanarahana tao Oslo, ny Fahefana Palestiniana dia voatendry ho hany manana fifehezana ny olana mifandraika amin' ny fiarovana sy sivily ao amin' ny faritra an-tanàn-dehibe palestiniana (antsoina hoe "Faritra A") sy fifehezana sivily ihany ny faritra ambanivohitra palestiniana ("Faritra B") . Ny ambiny amin' ny tanim-pirenena, anisan' izany ny tanàm-boanjo israeliana, ny faritry ny Lohasahan' i Jordana ary ny lala-manapaka eo anelanelan' ny vondrom-piarahamonina palestiniana maromaro, dia tokony hijanona eo ambany fifehezan' ny Israeliana ("Faritra C"). Nesorina tao tsy ho ao amin’ ireo Fifanarahana ireo i Jerosalema Atsinanana. Ny fifampiraharahana tamin' ny governemanta israeliana maromaro dia nahatonga ny Fahefana Plestiniana hifehy bebe kokoa ny faritra sasany, saingy very ny fifehezana tany amin' ny faritra sasany rehefa naka toerana stratejika maromaro ny Tsahal (tafika israeliana) nandritra ny Intifada faharoa ("Al-Aqsa"). Tamin' ny taona 2005, taorian' ny Intifada faharoa, dia nisitaka araka ny fanapahan-keviny samirery avy ao amin' ny Salavantanin' i Gaza i Israely, ka nanitatra ny fifehezan' ny Fahefana Palestiniana manerana ilay faritra manontolo raha mbola nanohy nifehy ny toerana fiampitana sy ny habakabaka ary ny rano amin' ny morontsirak' i Gaza i Israely.

Tamin' ny fifidianana ny mpanao lalàna palestiniana tamin' ny 25 Janoary 2006 dia nivoaka ho mpandresy ny Hamas ary nanendry an' i Ismail Haniyeh ho praiminisitra ao amin' ny Fahefana Palestiniana. Na izany aza dia nirodana tanteraka ny governemantan' ny firaisam-pirenena palestiniana, rehefa nipoaka ny ady mahery vaika teo amin' ny Hamas sy Fatah, indrindra tao amin' ny Salavantanin' i Gaza. Taorian' ny nandraisan' ny Hamas an' i Gaza tamin' ny 14 Jona 2007 dia nesorin' i Mahmoud Abbas, filohan' ny Fahefana Palestiniana, ny governemantan' ny firaisam-pirenena notarihin' ny Hamas ka nanendry an' i Salam Fayyad ho praiminisitra, ary nanaisotra an'i Haniyeh amin' ny toerany. Tsy neken' ny Hamas ilay fanesorana, ka niteraka fitantanan-draharaha roa samy hafa – dia ny Fahefana Palestiniana notarihan' i Fatah ao Jôrdania Andrefana sy ny governemantan' ny Hamas ao amin' ny Salavantanin' i Gaza. Ny dingana fampihavanana hampiray ny governemanta palestiniana roa dia nahita vokatra ihany nandritra ny taona maro, saingy tsy nahomby izany fampiraisana izany.

Nahazo fanampiana ara-bola avy amin' ny Vondrona Eorôpeana sy avy amin' i Etazonia ny Fahefana Palestiniana (mitotaly eo amin' ny 1 lavitrisa dôlara amerikana tamin' ny 2005). Ny fanampiana mivantana rehetra dia naato tamin' ny 7 Avrily 2006, vokatry ny fandresen' ny Hamas tamin' ny fifidianana parlemantera. Fotoana fohy taorian' izay dia nitohy indray ny fandoavana fanampiana, saingy nalefa mivantana any amin' ny biraon' i Mahmoud Abbas ao Jôrdania Andrefana. Nanomboka tamin' ny 9 Janoary 2009, rehefa noheverina ho tapitra ny fe-potoam-piasan' i Mahmoud Abbas amin' ny maha filoha azy, ary tokony hisy ny fiantsoana fifidianana, ny mpanohana ny Hamas sy ny maro ao amin' ny Salavantanin' i Gaza dia nanaisotra ny fankasitrahana azy ho filoha ary nihevitra an' i Aziz Dweik, mpitondra tenin' ny Filankevitra Mpanao Lalàna Palestiniana, ho filoha vonjimaika mandra-pahatongan’ ny fifidianana vaovao.

Neken' ny firenena miisa 138 ny fisian' ny Fanjakan' i Palestina ary nanomboka tamin' ny Nôvambra 2012, ny Firenena Mikambana dia nanao fifidianana ny hanao ny Fanjakan' i Palestina ho firenena mpanatrika nefa tsy mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana. Ny Fahefana Palestiniana dia fitondrana tsy refesi-mandidy izay tsy nanao fifidianana tao anatin' ny 15 taona mahery; voatsikera noho ny fanitsakitsahana ny zon' olombelona, anisan' izany ny famoretana ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon' olombelona ​​ary ny tsy fitovian-kevitra manohitra ny fitondrany.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.