Boky Ezra-Nehemia

(tonga teto avy amin'ny Ezra-Nehemia)

Ny Boky Ezra-Nehemia dia boky tokana tany aloha izay nanambatra ny Bokin' i Ezra sy ny Bokin' i Nehemia. Izany boky izany dia mirakitra ny tantaran' i Israely hatramin' ny andron' i Adama. Tsy nanasaraka ny boky roa ny dikan-teny grikan' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika atao hoe Septoaginta (na Septanta). Voasaraka izy ireo tamin' ny taonjato voalohany[1].

Fisarahan' ilay boky ho roa hanova

Nozaraina roa miavaka ilay boky tokana tamin' ny andron' i Ôrigenesy tamin' ny taonjato faha-3, ary ny fanasarahana dia nazava tsara tao amin' ny Baibolin' ny Kristiana eorôpeana tandrefana ka nanaraka izany koa i Hierônimo (na Jerôma) tao amin' ny fandikan-teny latina nataony, dia ny Volgata (latina: Vulgata)[1] izay nanome anarana ny voalohany hoe Esdrasa I sy ny faharoa hoe Esdrasa II. Tamin' ny Andro Antenatenany vao nisaraka ireo boky ireo tao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo)[2].

Loharano lehibe amin' ny fahalalana ny tantaran' ny Jiosy taorian' ny sesitany tany Babilôna ny Bokin' i Ezra sy ny Bokin' i Nehemia.

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. 1,0 et 1,1 Fensham, F. Charles, "The books of Ezra and Nehemiah" (Eerdmans, 1982) p.1
  2. Dillard, Raymond B.; Longman, Tremper (January 1994). An Introduction to the Old Testament. Grand Rapids, MI: Zondervan. p. 180. ISBN 978-0-310-43250-0. LCCN 2006005249. OCLC 31046001. Nojerena tamin'ny 24/02/2012.