Evanjely jodeô-kristiana

Ny evanjely jodeô-kristiana dia ireo evanjely nampiasaina tamin' ireo taonjato voalohany tao amin' ny fianakaviambe kristiana manam-piaviana jiosy. Nanjavona tsy hita intsony ireo lahatsoratra ireo ka tsy misy hita afa-tsy ampahampahany miisa enimpolo any ho any, izay tsy hita afa-tsy ao amin' ny tonon-tsiahy amin' ny lahatsoratra taty aoriana. Iray ihany no fantatra anarana, dia ny Evanjelin' ny Hebreo, nefa ny fikarohana ankehitriny dia mihevitra fa niisa roa izy ireo, dia ny Evanjelin' ny Hebreo (izay indraindray ampirovizina amin' ny Evanjelin' ny Nazareana) sy ny Evanjelin' ny Ebiônita (izay tao hoe Evanjelin' ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folo koa), na koa mety misy telo, dia ny , dia ny Evanjelin' ny Hebreo sy ny Evanjelin' ny Nazareana ary ny Evanjelin' ny Ebiônita.

Jereo koa hanova