Evanjelin' ny Hebreo

Ny Filazantsaran' ny Hebreo na Evanjelin' ny Hebrio dia lahatsoratra apôkrifa tokana na maro, araka ny literatiora patristika, izay nampiasaina tao amin' ireo fiangonana jodeô-kristiana. Tsy misy sisa ireo lahatsoratra ireo afa-tsy tonon-tsiahy nataon' ireo Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy), ary ny isa sy ny toetoetr' izy ireo dia sarotra faritana sady maro tsy mitovy ny fiheverana ny amin' izy ireo.

Tokony talohan' ny fisashan' ny taonhato faha-2 tany Ejipta no nanoratana ny Evanjelin' ny Hebrio, izay angamba nosoratana ho an' ny mpamaky siriana, mamaky amin' ny teny arameana, amin' ny teny jodeô-arameana na amin' ny teny hebreo. Ireo tsongan-tsoratra sisa tavela dia tsy misy itoviany amin' ireo evanjely na filazantsara kanônika, nefa misy andalana izay hita ao amin' ny Evanjelin' i Tômà. Milaza i Nikefôrôsy (Nisefôra), patriarakan' i Kônstantinôpla (806-815) fa misy andalan-tsoratra 2 200 ao.

Jereo koa hanova