Epistily katolika
(tonga teto avy amin'ny Epistola katolika)
Epistily katolika na Epistola katolika na Taratasy katolika no iantsoana ireo epistily fito milahatra ao aorian'ny epistily atao hoe nosoratan'i Paoly ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly.
Ireto avy izy ireo:
- ny Epistily nosoratan'i Jakoba, na Epistola nosoratan'i Jakoba;
- ny Epistily voalohany nosoratan'i Petera, na Epistola voalohany nosoratan'i Piera;
- ny Epistily faharoa nosoratan'i Petera, na Epistola faharoa nosoratan'i Piera;
- ny Epistily voalohany nosoratan'i Jaona, na Epistola voalohany nosoratan'i Joany;
- ny Epistily faharoa nosoratan'i Jaona, na Epistola faharoa nosoratan'i Joany;
- ny Epistily fahatelo nosoratan'i Jaona na Epistola fahatelo nosoratan'i Joany, ary
- ny Epistily nosoratan'i Joda,na Epistola nosoratan'i Joda.
Fiforonan-tenyHanova
Ny hoe katolika dia tsy hoe "momba ny mpino na ny finoana katolika", fa kosa "ho an'ny fiangonana rehetra" (fa tsy ho an'olona na fiangonana iray voatondro). Amin'ny teny grika dia atao hoe καθολικαὶ ἐπιστολαί / katholikai epistolai.