Epistily nosoratan' i Petera

(tonga teto avy amin'ny Epistilin'i Petera)

Ny Epistily nosoratan' i Petera na Epistola nosoratan' i Piera na Taratasy nosoratan' i Piera dia boky roa ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly izay lazaina araka ny lovantsofina kristiana fa nosoratan' ny apôstôly Simôna Petera (na Simôna Piera) mpianatr' i Jesoa. Anisan' ireo atao hoe Epistily katôlika na Epistola katôlika (izany hoe ho an' ny olon-drehetra) ireo taratasy roa ireo. Ireto avy ireo epistily ireo: Epistily voalohany nosoratan' i Petera sy ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera. Ny maha-azo itokiana azy ireo dia toherin' ny ankamaroan' ny mpamakafaka ary ny fampandriana azy an-tsoratra dia toa vita tao amin' ny vondrom-piarahamonina lavitra an' i Petera. Ny Epistily voalohany nosoratan' i Petera dia azo inoana fa nosoratana tamin' ny faran' ny taonjato voalohany tao amin' ny fiarahamonina jodeô-kristiana tany Rôma. Ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera dia angamba nosoratana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-2 tao amin' ny fiarahamonina jodeô-kristiana tany Aleksandria.

Jereo koa hanova