Ekôsy

(tonga teto avy amin'ny Ekosy)

I Ekôsy dia iray amin'ireo firenena mitambatra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, izay hita ao amin'ny tapany avarfatr'i Britaina Lehibe, sady ahitana koa ireo tangoro-nosy madinika ahitana ny Hebrides, ny Orcades, ny Shetland. Ny fanjakan'i Ekôsy dia fanjakana nanana ny fiandrianany izay nifarana tamin'ny 1 Mey 1707 izay nitambarany tamin'ny fanjakan'i Angletera mba hamoronana ny fanjakan'i Britaina Lehibe.Atao hoe Scotland izy amin'ny teny anglisy fa Alba amin'ny teny gaelika ekôsey ary Ecosse amin'ny teny frantsay.

Iray amin'ireo firenena seltika enina i Ekôsy. I Edimbourg norenivohitra ara-bola sy ara-panjakanan'i Ekôsy, nefa ny tanàna lehibe indrindra dia i Glasgow izay be orinasa indrindra ara-tantara. Ny tanàn-dehibe hafa dia i Aberdeen, i Dundee, i Stirling, i Perth ary i Inverness.