Eglizy Katôlika Apôstôlika Malagasy

Ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Malagasy (na Eglise Catholique Apostolique Malgache - ECAM) dia fiangonana tsy miankina eto Madagasikara, manaraka ny firehan' ny katôlisisma, tsy isan' ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) eto Madagasikara, niorina voalohany tao Bekily, ao amin' ny Faritra Androy, sady manana ny foiben-toerany ao koa. Ny pretra Damy Foliantsoa, izay nanompo tao amin' ny EKAR tamin' ny voalohany, no mpanorina azy[1]. Manaraka tanteraka ny fombam-pivavahana katôlika mahazatra ny maro izany fiangonana izany.

Efa nahazo fankatoavana tamin' ny fitondram-panjakana malagasy ilay fiangonana tamin' ny Desambra 2015 nefa nofoanan' ny piraiminisiratra Olivier Mahafaly Solonandrasana tamin' ny fotoanandrony indray izany tamin' ny volana Avrily 2016[2]. Na dia izany aza dia tsy mitsahatra manao fanompoam-pivavahana ilay fiangonana taorian' io fanafoanana ny fankatoavana azy io ary mitombo hatrany isan' ny mpino ao aminy.

Mpanorina fikambanana ara-tsôsialy koa ilay mpanorina, ka ohatra amin’ izany ny "Bekily Miaro amin' ny Raharaha Iombonaba (BEMIRAY) izay nijoro tamin’ ny taona 2022.

Isany naoriny koa, tamin'io taona io ihany, ny "AJESBE" izay halavaina hoe Atehenan'i Jesoa eto Bekily, izay anampiany manokana ny mahantra izay lazai'i Jesoa fa tenany araka ny Evanjelin'i Md Matio 25, 40.

Noraisin'ny Fikambanan-dRelijiozy any Kanada, atao hoe FSSJE (Fraternité Sacerdotale Saint Jean l'Evangéliste) ho isan'ny mpikambana feno ao amin'ny Fikambanany, izay miorina amin'ny maha katolika tranainy izy, tamin'ny 23 aogositra 2020, tamin'ny alalan'ny "Décret d'incardination". Sady noraisiny ho mpikambana feno izy, no nomena taratasy ofisialy nanendrena azy ho Grand Prieur de Madagascar dans la République de Madagascar, tamin'ny alalan'ny "Lettre missoriale". Notendrena hisahana ny Prieuré Saint Augustin, tamin'ny alalan'ny "Décret d'érection canonique", tamin'io daty io ihany.

Taorian'izany izy dia namolavola taratasy vaovao hampahafantarana ny Fanjakana Malagasy ny fisiany, ka dia noraisiny ilay anarana nampiditra azy, nefa notohizany "MAD" ka lasa FSSJEMAD (Fraternité Sacerdotale Saint Jean l’Évangéliste de Madagascar", izay notsipihiny mazava fa tsy hoe fanampiana fanonona fotsiny fa tena foto-kevitra ijoroana mba tsy ho tsindry pastoraly tahaka ny nisy azy fahiny, fa fitoriana tena hiorina amin'ny soa toavina malagasy mba hahatonga ny mpino ho "Jesogasy", ka izy no mahita izay mahasoa fa tsy alentika fotsiny ny fomba sy fijery vahiny.

Nahazo fankatoavana ara-panjakana izany Eglizy izany, tamin'ny 27 Mey 2022. Taorian'izany, tamin'ny 04 novambra 2022, izay fetin'i Md Charles Borromée izy no nohamasinina indray ho pretra sy nasandratra ofisialy ho Grand Prieur de Madagascar, tany Parisy, araka ny fomban'ny Eglizy Katolika Apostolika Tridentina (Konsily tany Trente). Nofenoina tao aminy ny fanamasinana ny Ordres Mineurs "Portier, Lecteur, Exorciste et Acolyte" sy Ordre Majeur "Sous-Diacre" araka ny fomba Katolika Tridentina, nefa efa tsy iainany Katolika Romanina intsony. Fa ny "Ordre sacremental" DIAKRA sy Ordre de PRETRE kosa, izay efa noraisiny, dia nomena azy indray fa natao hoe "Ordination SUB CONDITIONE", mba hanehoana fa tsy olon'ny Katolika Romanina intsony izy, fa miverina amin'ny maha Katolika tranainy, talohan'ny Vatikana. Pretra Katolika afaka misafidy na ho mpitovo na hanambady araka ny maha Katolika Tridentina azy. Rehefa niverina avy any izy dia nanao sorona voalohany fankasitrahana an'Andriamanitra ny Alahady voalohany amin'ny Fiaviana, 27 novambra 2022, izay Sorona Masina nangotrokotroka tao Bekily.

Tsy tahaka ny voalaza hoe mitovy tantana amin'ny fombam-pivavahana katolika romanina izany fa miavaka tanteraka eo amin'ny maha mpanambady azy sy ny litorijia izay ankalazainy. Ohatra amin'izany ny fipetraky ny otely fanoloran-tsorona izay miankina amin'ny rindrina tanteraka, satria mitodika mankany ny pretra rehefa manao sorona fa tsy manatrika vahoaka. Mitondra ny vavaky ny vahoaka izy fa tsy Andriamanitra ivavahana ka hitodika ny vahoaka.

Fafazana ny ran'i Kristy ny vahoaka rehetra manatrika sorona, satria ahindrahindrany fa ny Ra latsaka no maha sorona ny sorona, na dia atao hoe tsy latsa-danja amin'izany aza ny sakafo iombonana, raha ny kolo-piainana malagasy no itarafana azy.

Nandray ny fandovana apostolika hatrany amin'ny 1541 izany Fiangonana Katolika Tridentina izany, tamin'ny tànan'i Mgr Scipione Rebiba, sy ireo Eveka maro taty aoriany, izay nitohy hatraty amin'i reo Eveka roalahy nanamasina an'i Prieur DAMY Foliantsoa tany Parisy, dia Mgr Charles tamin'ny 1990 sy Mgr Saint Allain.

Rehefa vita fanambadiana ara-pomban-drazana malagasy ny mpino ao aminy dia efa tsy tokantranamaso izany fa afaka mandray komonio. Fa amporisihiny kosa hiroso amin'ny ara-panjakana mba ho fitsinjovana ny soa ho an-dravehivavy raha sendra hisy ny fisarahana.

Tsy niendaka izany izy, fa niverina tany amin'ny fototra niaingana.

Momba ny Mpanorina: Avy any amin'ny Fokontany iray, atao hoe Bekiria izy; Kaominina Ifotaka; Distrikan'i Amboasary atsimo, Faritra Anosy. Mbola kely izy naniry ho pretra fa tsy neken-dreniny niteraka azy, fa rainy no nanaiky avy hatrany. Zaza faha 4 amin'izy 10 mianadahy izy. Afaka Bakalorea izy tamin'ny taona 1991, tao amin'ny Lycée Ambovombe Androy. Taloha kelin'ny fanadinana izy vao nomen-dreniny tsiodrano hanohy izany làlana maha pretra iriny izany. Rehefa avy nanampy ireo relijiozy tao Amboasary atsimo izy volana vitsivitsy taorian'ny nahazoany ny mari-pahaizana bakalorea, dia lasa nanohy ny fianarana ho pretra tany Farafangana, tany Fianarantsoa, Ihosy, dia niverina tao Fianarantsoa. Nohamasinina ho diakra tao amin'ny paroasy Don Bosco, Ankofafa ao Fianarantsoa izy ny 10 aprily 2001. Ny 14 jolay 2001 izy dia efa nandray ny fanosorana ho pretra tao Tanambao Fianarantsoa, tamin'ny tànan'i Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert. Tao Ranohira izy no nisantatra ny asa maha pretra azy, ka izy no niandraikitra ny Paroasy Md Vincent de Paul tao Ilakaka sy ny manodidina; ary mbola tsy lefy ao ny anarany noho ny fahaiza-mitoriteny sy ny ezaka pastoraly vitany. Nanohy ny fianarany Siansa Moraly tany amin'ny Universidad Pontificia Comillas, Facultad de Teologia. Instituto Superior de Ciencias Morales tany Madrid Espagna izy tamin'ny taona 2004-2008, ary ny Tesina mitondra ny lohateny hoe "Ethique et perspectives pastorales pour l'inculturation du mariage à Madagascar" no namaranany azy, izay nanolorana azy naoty ambony indrindra 9/10.

Rehefa niverina avy any izy dia lasa mpanabe teny amin'ny seminera zokiny Lazarista tao Tanantsoa Fianarantsoa, ary nampianatra teny amin'ny seminera interdioseziana Vohitsoa Fianarantso. Nampianatra Morale sexuelle, morale familiale, Inculturation, sacrement de l'Ordre, ary nampianatra tamin'ny taranja "Civilisation et langue appliquée", nampianatra teny espagnoly teny amin'ny Anjerimanontolo Andrainjato Fianarantsoa.

Ny taona 2010 izy no nafindra niasa tao Bekily Androy, ary navadika ho "session" ireo taranja nampianariny teny amin'ny Seminera zokiny.

Nafindra teny Faradofay izy ny 2012. Nanome konferasy maro isankarazany ireo pretra rahalahiny tao amin'ny Diosezy Faradofay, toy ny hoe Fiangonana mizaka tena, Fiangonana Fianakaviana misionera, Ny Fiainam-pianakaviana...sady koa nampianatra "Initiation à la philosophie" teny amin'ny "Sacré-Coeur" Faradofay.

Ny taona 2014 izy no lasa nafindra koa tany Tanandava Lokomby Manakara. Nanohy nampianatra hatrany tany amin'ny seminera zokiny izy tamin'izany.

Hatramin'izy teny Faradofay dia efa nanomana ny tantarany sy ny Fiangonana hajorony, izay nohamasahiny hatrany hatrany Tanandava, nampitondrainy ny lohateny hoe "ECAM, 2ème poumon du catholicisme à Madagascar".

Rehefa nihamatotra hatrany ny fandinihany dia nanampa-kevitra niala ny maha pretra Lazarista araka ny firehan-kevitra EKAR izy fa nanangana ny hoe EKAM. Nahazo fankatoavana ara-panjakana ny 22 desambra 2015, fa nofoanana ny 13 aprily 2016, tamin'ny antony tsy dia nazava aminy loatra. Tsahoina fotsiny hoe ny anarana katolika no mampifangaro zavatra. Nanaiky nanova izany izy na dia nahindrahindrany aza fa tsy anarana ny maha katolika fa midika ho universel, manerantany, fa ny Romana sy Malagasy no anarana. Dia novainy ny EKAM (Eglizy Katolika Apostolika Malagasy) ho EKAM (Eglizy Komonio Apostolika Malagasy).

Teo no nanomezana alalana azy hanohy fa eo an-dalam-pamakiana ny fototra ijoroany ny Fanjakana, nefa mahagaga fa norarana tsy hanitatra aloha.

Rehefa noraisina ho mpikambana feno ao amin'ny FSSJE izy, dia nanavao taratasy fijoroana ka novany ho FSSJEMAD, izay nahazo fankatoavana ara-panjakana ny 27 Mey 2022. Nofatrarany tamin'ny fanamasinana azy tany Parisy ny 04 novambra 2022, araka ny fomba katolika tranainy tridentina, ka afaka nampiely ny finoany. Efa tanàna telo no misy azy izao ato amin'ny distrikan'i Bekily, ary iray any ambanivohitr'i Amboasary atsimo; ankoatr'ireo faritra maro efa mangataka fa mbola ilany fandinihana?

Ankoatr'ireo lalam-pianarana nataony dia nianatra "DROIT PRIVE" koa izy tamin'ny CNTEMAD, ary dia nahazo ny mari-pahaizana Master II.

Ankoatr'izany dia izy koa no miandraikitra ny fiarovana ny zon'olombelona ao Bekily, amin'ny alalan'ny TRANO ARO ZO.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Ekar manoloana ny Ekam: "Aoka tsy ho voarebireby isika”, hoy ny Mgr Tsarahazana Désiré" Archived Novambra 16, 2020 at the Wayback Machine, Newsmada.com.
  2. "Eglise catholique ECAR contre ECAM : le PM fait son choix", Madagascar Television.