I Efrema Siriana na Efrema avy any Nisîba na Efrema Siriaka dia diakra na diakona sy teolojiana nanoratra tamin'ny fiteny siriaka tamin'ny taonjato faha-4 tany amin'ny faritr'i Asiria. Maro ny antokom-pivavahana kristiana manao azy ho olo-masina ka isan'izany ny Fiangonana katolika sy ireo Fiangonana ortodoksa. Maro ny hiram-pivavahana sy ny tononkalo noforoniny. Teraka tao Nisîba tamin'ny taona 306 izy ary maty tamin'ny taona 373 tao Edesa. Isan'ireo Kristiana atao hoe Rain'ny Fiangonana izy. Atao hoe ܐܦܪܝܡ ܣܘܪܝܝܐ / ʾAfrēm suryāyā ou ʾAfrēm suryoyo izy amin'ny teny siriaka, Ἐφραίμ ὁ Σῦρος, Ephraím ho Syros amin'ny teny grika, ary Ephraem Syrus amin'ny teny latina.

I Efrema Siriana, sary masina any Romania.

I Efrema dia niandraikitra ny Sekoly teolojika tao Nisîba tamin'ny fotoana nitrangan'ny Persiana. Nitady fialofana tany Amida niaraka tamin'ireo mianany izy avy eo tany Edesa tamin'ny taona 363 ka nitoetra tao hatramin'ny mandra-pahafatiny tamin'ny taona 373. Nanao fiainana feno fifehezan-tena hentitra izy. Izany no nahatonga azy ho mpamorona hira sy tononkalo izay niantsoana azy hoe "harpan'ny Fanahy Masina".

Jereo koa hanova