Easton's Bible Dictionary
Ny Illustrated Bible Dictionary, izay fantatra kokoa amin' ny hoe Easton's Bible Dictionary, dia boky fanovozan-kevitra momba ny lohahevitra mifandray amin' ny Baiboly kristiana, nangonin' i Matthew George Easton. Navoaka tamin' ny taona 1893 ny fanontana voalohany, ary navoaka ny fanontana nohavaozina ny taona nanaraka. Ny fanontana malaza indrindra anefa dia ny fahatelo, navoakan' i Thomas Nelson tamin' ny taona 1897, telo taona taorian' ny nahafatesan' i Easton. Ny farany dia misy lahatsoratra efa ho 4 000 eo ho eo mifandray amin' ny Baiboly. Maro amin' ny lahatsoratra ao amin' ny Easton's no manana vontoatiny toy ny anaty raki-pahalalana, na dia misy ihany koa ny toa rakibolana fohy. Noho ny taonany dia loharano eo amin' ny sehatra ho an' ny daholobe io boky io.