Dinika:Vavolombelon' i Jehovah

(tonga teto avy amin'ny Dinika:Vavolombelon'i Jehovah)
Dernier commentaire : il y a 6 ans par Thelezifor dans le sujet Fanovana vokatry ny tsikera sy sosokevitra

Salama tompoko. Ny pejy "Vavolombelon'i Jehovah" dia mbola azo hatsaraina amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra. Misy amin'ny teny frantsay(Témoins de Jéhovah), amin'ny teny anglisy (Jehovah's Witnesses) sy ny sisa koa io pejy io. Ny vontoatin'ireo dia mitovitovy na dia samy hafa endrika sy habe aza. Tsy fomba fijerin'olon-tokana no ilaina fa ny fomba fijery samihafa. Na dia izany aza dia azo atao ny mamorona pejy hoe "Fahitan'ny Vavolombelon'i Jehovah ny tenany". Isaorana i Roberalimanana tamin'ny fandraisany anjara. Ny indro kely dia ny namafany tsy misy fifanakalozan-kevitra ny zavatra sasany tokony ho fantatry ny mpamaky ka nanoloany izany ho fampianaram-pinoana. Ny fepetran'ny Wikipedia anefa dia ny tsy fiandaniana (neutralité). Zavatra tanatin'ny boky Mifohaza, Tilikambo, sns. sy ny resaka momba izany no fintinina ao fa tsy zavatra noforonina. Ny fanoroana ny loharano angamba no tsy ampy na tsy misy, nefa izany dia azon'izay manam-pahalalana bebe kokoa fenoina satria isan'ny fepetra ilazana fa tsara ilay pejy. Noho izany dia ho raisina ho soso-kevitra avy amin'i Roberalimanana ny zavatra nosoratany ka mety hisy ny hajanona raha hita fa tena mikasika mivantana ny Vavolombelona fa misy kosa ny hesorina, dia ireo fanazavana ny teny hita ao amin'ny Baiboly izay azo amoronana pejy hafa. Ohatra : azo foronina ny pejy momba ny hoe "Vary sy tsimparifary" izay efa misy amin'ny fiteny hafa ("Le bon grain et l'ivraie"). Ny famakafakana ny Baiboly, ny boky ao aminy, ny andininy ao aminy dia azo amoronana pejy manokana. Izay ary no izy ka dia mirary fahazotoana ho an'ny mpandray anjara rehetra. --Thelezifor (resaka) 20 Novambra 2017 à 03:27 (UTC)Répondre

Fanovana vokatry ny tsikera sy sosokevitra hanova

Miarahaba ny mpamaky rehetra. Tsy notsinontsinoavina ny tsikera sy ny sosokevitra avy amin'ny mpandray anjara Raberalimana. Izany no isan'ny niterka ny fanovana sasany ato amin'ity pejy ity. Isaorana betsaka izy ary raisina an-tanandroa ny tsikera avy aminy.--Thelezifor (resaka) 2 Desambra 2017 à 16:25 (UTC)Répondre

Revenir à la page « Vavolombelon' i Jehovah ».