Afsarida

(tonga teto avy amin'ny Dinastian'ny Afsarida)

Ny Afsarida dia fianakavia-mpanjaka na dinastia izay nanapaka an' i Iràna tamin' ny taona 1736 hatramin' ny taona 1749. Atao hoe افشاریان / Afšâriyân izany amin' ny teny persana.

Ny Empira Afsarida tamin' ny andron' i Nader Shah, taona 1740.

Avy any Torkestàna ny Afsara. Taorian' ny nahazoan' ny Môgôly io faritra io dia nanorim-ponenana tao amin' ny faritanin' i Azerbaijàna izy ireo. Taty aoriana dia nanompo ny shah Ismail Safavi (1487-1524) tao amin' ny tafiky ny Kizilbasy (Qizilbash) manampahaizana sasany tao aminy. Rehefa tafapetraka teo amin' ny fitondrana i Ismail dia nafindrany ny fokon' ny Afsara sasany avy any Azerbaijàna nankany Khorasan mba hisakana ny Ozbeka.

Vanimpotoan' ny fikorontanana sy adiady maro ho an' i Iràna ny taonjato faja-18. Niteraka ra mandriaka sy fandringanana ary fandrobana nandritra ny taona maro ny fionganan' ny Safavida teo anatrehan' ny Afgàna notarihin' i Mir Mahmoud Hotaki (1722). Nandritra izany fotoana izany no niakaran' ny miaramila Nader, avy amin' ny fokon' ny Kirklo (Qirqlu) ao amin' ny foko lehiben' ny Afsara, ka nanafaka ny firenena tamin' ny fanjakazakan' ny Afgàna.

Ireto ireo mpanjaka/mpanapaka nifandilby:

  • Nader Shah na Nadir Shah (1736–1747)
  • Adil Shah (1747–1748)
  • Ebrahim Afshar (1748)
  • Shahrokh Afshar (1748–1796)

Jereo koa hanova

Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia: