Diera persiana

(tonga teto avy amin'ny Dieran' i Persia)

Ny diera persiana na dieran' i Persia (Dama dama mesopotamica) dia karazana serfa na diera  tandindomin-doza izay tsy hita afa-tsy ao amin' ny faritanin' i Khuzestan, any atsimo-andrefana amin' i Iràna amin' izao fotoana izao. Nofaritana tamin' ny voalohany ho karazam-biby tena akaiky ny serfa na diera eorôpeana (Dama dama) izy io, ankehitriny dia heverina ho zana-karazana tatsinanana antsoina hoe Dama dama mesopotamica izy

Dieran' i Persia

Ny diera persiana dia lehibe kokoa noho ny diera eorôpeana, ny halavany be indrindra dia 2,40 m ary ny haavony 1,10 m. Mirefy 16 ka hatramin' ny 19 sm ny rambony, ary 95 kg ny lanjan' ny lehibe indrindra. Lava kokoa noho ny an' ny diera eorôpeana ny tandroky ny lahy, saingy vitsy ny sampany. Toy ny karazana diera na serfa hafa rehetra, ity biby ity dia mpihinana zavamaniry ary mihinana ravina sy ahitra, mipetraka any anaty ala mikitroka.

Fohy sy manja mena ny volo madrakotra azy, ary misy pentipentina fotsy be dia be eo amin' ny tratrany sy ny fari-damosiny manandrify amin' izany. Fotsy ny kibony, ny vombony, ny tapany ambany amin’ ny rambony ary ny vavany, ary misy tsipika matevina roa miaty tsipika iray hafa miloko mainty izay mamakivaky ny tapany ambony amin’ ny vozony sy ny lamosiny. Eo amin' ny tendany dia misy pentina fotsy misongadina raha mitaha amin' ny sisa noho ny bikany manokana mitovy amin’ ny paoma. Io pentina io, izay antsoina hoe paoman’ i Adama, dia misongadina kokoa eo amin' ny lahy noho ny eo amin' ny vavy.

Aorian' ny 32 herinandro nitondrana vohoka, ny vavy dia miteraka ny zanany amin' ny volana Marsa na Avrily (tsy matetika ny kambana) ary mampinono azy mandritra ny taona voalohany amin' ny fiainany. Amin' ny herintaona sy tapany dia vonona amin’ ny fanaovana firaisana ara-nofo izy. Ny faharetan' ny fiainany dia eo amin' ny 20 ka hatramin' ny 25 taona.