Dekio (emperora)
I Dekio izay antsoina hoe Traiano Dekio dia emperora romana tamin'ny taona 249 hatramin'ny taona 251. Teraka tamin'ny taona 201 sy maty tamin'ny taona 251 izy. Atao hoe Gaius Messius Quintus Trajanus Decius ny anarany amin'ny teny latina. Nandimby an'i Filipo Arabo izy izay niadiany sy nanaovany fikomiana. Tamin'ny taona 251 dia niara-nanapaka ny Empira taminy ny zanany lahy Herenio. Niara-maty tamin'ny taona 251 izy roalahy tamin'ny adin-tafika tao Abrito.