Dekapôlisy

(tonga teto avy amin'ny Dekapolisy)

Ny Dekapôlisy na Dekapôly dia tanàna folo taloha hita indrindra ao atsinanan' i Jordàna, izay mivondrona ho fikambanana iray. Avy amin' ny teny grika hoe deka ("folo") sy polis ("tanàna") io anarana io. Atao hoe Δεκάπολις / Dekápolis, ireo tanàna ireo amin' ny teny grika. Mety voanjo grika sy mekedôniana no nanorina ny Dekapôlisy faha mpanjaka seleokida Antiôkôsy III. Taty aoriana dia nizaka ny fifaninanana tamin' ireo tanàna jiosy sy nabateana izy ireo tamin' ny faharavan' ny fanjakana seleokida. Ny fanatsarana ny fifandraisana ara-barotra sy ny fifampiarovana amin' ny fahavalo no niteraka ny fiombonan' ireo tanàna folo ireo.

Sarintany mampiseho ny Dekapôlisy.

Ny fahazoan' ny Rômana tany maro tamin' ny taona 63 tal. J.K. dia noheverina ho fanafahana ireo tanàna ireo amin' ny kolontsaina grika. Ny Pax Romana ("Fahalemana Romana") sy ny fitsinjaram-pitantanan-draharaham-panjakana izay napetraka tao amin' ny faritra dia nampihen-danja ny fiombonan' ireo tanàna folo ireo, izay nanjavona, ka tsy nampiasaina intsony ny anarana hoe "Dekapôlisy" taorian' ny fanjakan' i Traiano.

Miresaka matetika ny amin' ny Dekapolisy ny Evanjely.