Andriamanarivo Paoly Rabe

(tonga teto avy amin'ny DadaRabe (RABE Andriamanarivo Paoly))

DadaRabe hanova

DadaRabe dia mpanoratra malagasy [1] teraka tamin'ny taona 1968 tao Antananarivo. Nianatra teny Ankatso ary nivoaka ho dokotera. Nanohy fianarana tany Frantsa izy ary nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny "Psychiatrie". Niverina tao Madagasikara izy ny taona 2007 ary mampianatra ao amin'ny faculté de médecine ao Mahajanga.

Ny sangan'asany hanova

Manoratra tononkalo amin'ny teny malagasy no tena ataony. Mpikambana mpanorina ny HAVATSA-UPEM Frantsa.

Namoaka boky tononkalo izy tamin'ny taona 2003 : "Dia nisy ny mazava". Misy tononkalo 700 eo ho eo nosoratany.

Rohy hanova

Havatsa-Upem Frantsa [2] Archived Martsa 13, 2012 at the Wayback Machine Haisoratra [3]