I Comoé dia ony any Afrika Andrefana izay mamakivaky an' i Borkina Faso sy Kôtidivoara, manana ny loharanony ao Péni, toerana eo anelanelan' i Banfora sy Bobo-Dioulasso any Borkina Fasô; miampita an' i Kôtidivoara avy any avaratra mankany atsimo izy io, ary mivoaka any amin' ny farany atsinanana amin' ny lagôna Ébrié ao Grand-Bassam. Mirefy 813 km ny halavany. Avy amin' ny anarany ny Faritanin' i Comoé, iray amin' ny faritany 45 any Borkina Fasô any amin' ny Faritry ny Cascades, ary koa ny Distrikan' i Comoé ary ny iray amin' ny faritra ao aminy, dia i Sud-Comoé ao Kôtidivoara.

Ny ony Comoé ao amin' nyTahirin-javaboarin' i Comoé-Léraba.

Ny vavaranony ivarinany taloha mamakivaky ny riakasia any atsimo-atsinanan' i Grand-Bassam dia voahidin' ny fanotofan-tany sy ny lalana amorontsiraka ankehitriny. I Comoé dia mitohy amin' ny ampahany an-dranomasina misy azy ankehitriny eo amin' ny 40 km miankandrefana manaraka ny morontsiraka anelanelan’ ireo nosy lehibe maromaro, anisan' izany ny nosy Vitré eo amin' ny fihaonan' i Mê sy ny nosy Petit-Bassam eo anelanelan' i Abidjan sy i Port-Bouët, alohan' ny hidirany ao amin' ny Hoalan’ i Ginea amin' ny alàlan' ny lakandrano Vridi ankehitriny.

I Comoé dia manondraka ny ankamaroan' ny faritra avaratra-atsinanan' i Kôtidivoara. Io no faritra rakotra hivoka indrindra. Na izany aza, ny renirano dia sisin' ny ala galeria amin' ny halavany saika manontolo, izay toeram-ponenana tokana ho an' ny biby maro karazana ao aminy. Valan-javaboary midadasika ny  Parc National de la Comoé (Valan-Javaboarin' i Comoé) izay noforonina any avaratra atsinanan' i Kôtidivoara eo antenatenany.

Ao amin' ny faritra ivoariana izay ivelaran’ ny lohasahany, ny fisian' ny lemaka mety tondra-drano dia nitarika ny fampandrosoana ny fambolem-bary.

Ireto ny sakelidranony lehibe:

  • i Leraba Andrefana (ilany havanana) izay manamorona ny sisintany manasaraka an' i Borkina Fasô sy i Kôtidivoara;
  • i Iringou (ilany havia) avy any Borkina Fasô;
  • i Bayakokoré (ilany havia), avy any amin' ny faritra ivoariana ao Bondoukou (faritra Zanzan).