Carlos V, emperora rômana masina

(tonga teto avy amin'ny Carlos V)
Charles V, Emperora Romana Masina
Ankapobeny
Anarana Charles V, Emperora Romana Masina
Teraka 24 Febroary 1500
Maty 21 Septambra 1558
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Espaina
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Carlos V na Karl V na Charles V na Charles Quint dia Emperora rômanina masina sy arsidiokan' i Aotrisy hatramin' ny taona 1519 ka hatramin' ny 1556, Mpanjaka' i Espaina hatramin' ny taona 1516 ka hatramin' ny 1556, ary Tompon' i Nederlandy tamin' ny anarana hoe Diokan' i Bourgogne (frantsay: duc de Bourgogne) hatramin' ny taona 1506 ka hatramin' ny 1555. Izy no mpandova ary avy eo dia lehiben' ny Tranon' i Habsburg vao nisondrotra, nandritra ny tapany voalohany amin' ny taonjato faha-16.

Teraka tamin' ny 24 Febroary 1500 tao amin' ny Prinsenhof any Gent na Gand (any Belzika) ary maty tamin' ny 21 Septambra 1558 tao amin' ny Mônasteran' i Yuste ao amin' ny vohitra atao hoe Cuacos de Yuste any Espaina izy.

Anisan' ny fanjakany tany Eorôpa ny Empira Rômana Masina Jermanika, nanomboka any Alemaina ka hatrany amin' ny faritra avaratra amin' i Italia izay nitondra mivantana ny tany lova aotrisiana sy ireo "Firenena iva borgondiana" (any Belzika, Nederlandy, Loksemborga, ary koa any Frantsa sy Alemaina ankehitriny), ary i Espaina sy ny Fanjakan' i Napoli (Naples) sy ny Fanjakan' i Sicilia (Sicily /Sicile) ary ny Fanjakan' Sardegna (Sardinia/Sardagne) ao amin' ny tapany atsimon' i Italia.

I Carlos dia teraka tany Vlaanderen (Flanders/Flandres) avy amin' ny arsidioka Philipp I. von Kastilien (amin' ny teny alemàna) na Felipe I el Hermoso (amin' ny teny espaniôla), zanaky ny emperora Maximilian I sy i Marie de Bourgogne (frantsay) na Maria van Bourgondië (neerladey) ary Joanna of Castile, zandrin'i Isabella I avy any Castile sy Ferdinand II avy any Aragon, mpanjaka katolika any Espaina. Ny mpandova ny raibe sy renibeny efatra, i Charles dia nandova ny fanjakany rehetra tamin'ny fahazazany.

Ny fiainany manokana hanova

I Philip I of Castile no rainy. Ny vadiny dia Isabella of Portugal. Ny zanany dia Philip II an'i Espaina, Maria of Austria, Holy Roman Empress, Joanna of Austria, Princess of Portugal, John of Austria, Margaret of Parma.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.