Boky amin' ny anaran' i Sôlômôna

(tonga teto avy amin'ny Boky amin'ny anaran'i Salomona)

Ny boky amin' ny anaran' i Salômôna na boky amin' ny anaran' i Sôlômôna dia boky ao amin' ny Baiboly izay mety ho kanônika na deoterôkanônika na ivelan' ny Baiboly ka atao hoe apôkrifa na pseodepigrafa. Nampitondrain' ny olona nanoratra azy na ny olona taty aoriana ny anaran' i Salômôna na Sôlômôna izy ireo.

Ireto avy ireo boky ireo:

Ny Tononkiran' i Sôlômôna (na Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana) dia kanônika ao amin' ny Baiboly hebreo (na Tanakh) sy ny Baiboly prôtestanta fa prôtôkanônika kosa ao amin' ny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa. Ny Fahendren' i Sôlômôna (na Bokin' ny Fahendrena) dia deoterôkanônika ho an' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa fa apôkrifa kosa ho an' ny Prôtestanta. Ny Testamentan' i Sôlômôna sy ny Antsan' i Sôlômôna dia boky apôkrifan' ny Testamenta Taloha fa ny Tantaran' i Sôlimana kosa dia boky apôkrifan' ny Testamenta Vaovao.

Jereo koa hanova