I Bernard Bakana Kolélas dia mpanao pôlitika sy mpitondra firenena kôngôley, teraka tamin' ny 12 Jona 1933 tany Mboloki ao amin' ny distrikan' i Kinkala (Pool) ary maty tamin' ny 12 Novambra 2009 tany Paris. Lasa piraiminisitra izy tamin' ny taona 1997. Izy no filohan' ny antoko Mouvement Congolais pour la Démocratie et le Développement Intégral (MCDDI). Nifanohitra nandritra ny fotoana lava tamin' ny antoko tokana Parti Congolais du Travail (PCT) (antokon' i Marien Ngouabi) izy. Taorian' ny nampidirana ny fisian' ny antoko maro tamin' ny fiantombohn' ireo taona 1990 dia isan' ireo mpanao pôllitika malaza tao Kôngô-Brazzaville izy.

Nahazo ny laharana faharoa izy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny Aogositra 1992, taorian' i Pascal Lissouba. Ben' ny tanànan' i Brazzaville izy tamin' ny tenantenan' ireo taona 1990, ary Praiminisitr' i Kôngô-Brazzaville izy nandritra ny fotoana fohy nandritra y ady an-tranon' ny taona 1997. Rehefa nandresy ny tafika mpioko dia nisesy tany nandritra ny valo taona izy mandra-pahatogan' ny famotsoran-keloka izay nahafahany miverina an-tanindrazana. Lany ho filohan' ny Antenimieram-Pirenena izy tamin' ny taona 2007.

Jereo koa hanova