Ny Bene Israely dia iray amin' ireo vondrona jiosy telo niaina tany India hatramin 'ny tapany faharoan' ny taonjato faha-20. Ny Bene Israely no vahoaka maro anisa indrindra amin' ireo Jiosy monina any amin' ny Zana-kôntinenta indiana, sady izy ireo no mahamaro ireo antsoina hoe Jiosin' i Bombay.

Sarintany mampiseho ny faritra onenan'ny Bene Israely ao India

Taorian' ny nahafantarany ny jodaisma tamin' ny taonjato faha-19 dia nifindra monina avy any amin' ny tanàna kely any Konkan nankany amin' ireo tanàn-dehibe akaiky azy ny Bene Israely, ka isan' ireo tanàna ireo i Mumbai [1], i Pune, i Ahmedabad ary i Karachi [2]. Araka ny lovantsofin' ny Bene Israely, taorian' ny taonjato nandehandehanana namakivaky an' i Israely ao Azia Andrefana, ny razamben' izy ireo dia nifidra tany India ka nifangaro tsikelitsikely tamin' ny vahoaka manodidina, nefa nihazona ny fomba mampiavaka ny Jiosy[3]. I David Rahabi, izay Jiosy indiana, dia nahita ny Bene Israely tamin' ny taonjato faha-18 ka nahamarika ny fomba amam-panao jiosy teo amin' izy niainan' izy ireo[4].

Ny mpahay tantara sasany dia manamarika fa ny razamben' ny Bene Israely dia anisan' ny iray amin' ireo foko verin' i Israely [5] [6]. Ny manampahefana jiosy anefa tsy manaiky ny Bene Israely ho iray amin' ireo foko very. Tamin' ny taona 1964 dia nanambara ny fikambanan' ny raby ao Israely fa Jiosy tanteraka ny Bene Israely [7].

Bene Israely

Ny Report of the High Level Commission on the Indian Diaspora (2012) dia nandinika ny fiainana tao Israely ho an' ny Bene Israely ka nahita fa ny tanànan' i Beerseba ao amin' ny tapany atsimon' i Israely, no ahitana ny ankabetsahan' ny vahoaka Bene Israely, ka any Ramla no tena maro azy ireo. Karazana vaovao amin' ny fianakaviana miparitaka amim-pirenena samihafa izy ireo[8]. Amin' ny ankapobeny dia mandray anjara loatra amin' ny resaka pôlitika ny Bene Israely. Tsy nisy fifandraisana ara-toekarena hentitra amin' i India izy ireo sady vofetra ny satany ara-pôlitika ao Israely. Ireo Jiosy avy any India ireo dia kilasina ho Sefarada; nikambana tsara tamin' ny vahoaka sefarada ao Israely izy ireo [9].

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Weil, Shalva (2010). "Bombay (present day Mumbai)". In Stillman, Norman A. (ed.). Encyclopedia of Jews in the Islamic World. Brill.
  2. Weil, Shalva (2008). "The Jews of Pakistan". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 3. ABC-CLIO. pp. 1228–1230. ISBN 978-1-85109-873-6.
  3. Weil, Shalva (2009) [2002]. "Bene Israel Rites and Routines". In Weil, Shalva (ed.). India’s Jewish Heritage: Ritual, Art and Life-Cycle(3rd ed.). Mumbai: Marg Publications. pp. 78–89.
  4. Weil, Shalva (1994). "Yom Kippur: the Festival of Closing the Doors". In Goodman, Hananya (ed.). Between Jerusalem & Benares: Comparative Studies in Judaism & Hinduism. New York: State University of New York Press. pp. 85–100.
  5. Weil, Shalva (2015). "Tribes, Ten Lost". In Patai, Raphael; Bar -Itzhak, Haya (eds.). Encyclopedia of Jewish Folklore and Traditions. 2. Routledge. pp. 542–543. ISBN 9781317471714.
  6. Weil, Shalva (2015). ""Jews of India". In Patai, Raphael; Bar -Itzhak, Haya (eds.). Encyclopedia of Jewish Folklore and Traditions. 1. Routledge. pp. 255–258. ISBN 9781317471714.
  7. Weil, Shalva (2008). "Jews in India". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 3. ABC-CLIO. pp. 1204–1212. ISBN 978-1-85109-873-6.
  8. Weil, Shalva (2012). "The Bene Israel Indian Jewish Family in Transnational Context". Journal of Comparative Family Studies. 43(1): 71–80. JSTOR 41585381.
  9. "Report of the High Level Commission on the Indian Diaspora" (PDF). Indian Diaspora. Tahiry tamin'ny 11 Oktobra 2010. Notsidihina tamin'ny 10 Agostra 2018.